Actualités

Roland Ratsiraka Seriny mandraharaha lodsia


  • Talata 30 Novambra 2010


Raha seriny amin’ny fandinihana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2011 ny eny amin’ny Kongresin’ny tetezamita (CT) ary mikatro-doha miofana mba hahay hifehy ny fandinihana io tetibolam-panjakana io ny ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) dia any amin’ny fandraharahana aloha no maha seriny ny filoha lefitry ny CST sady filoha nasionalin’ny antoko MTS (Malagasy Tonga Saina), Ratsiraka Iarovana Roland. Anatin’ny taom-piotazana lodsia tanteraka moa ny any amin’ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo, amin’izao fotoana izao, ka araka ny fantatra dia mandrahara amin’io lalam-pihariana io ny tenany. Izy rahateo manana orinasa (JIRO) anisan’ireo manondrana lodsia. Tsy hay rahateo izay havoaky ny ampitso, ka tsy azo avela ny raha fanao, sady mitsinjo lavitra ihany koa.

Vokatra mora simba moa ny lodsia, hany ka vonjivonjena ny fikarakarana indrindra ho an’ireo orinasa manondrana ity vokatra ity, ho eo amin’ny tsena vahiny. 17.500 palettes eo ihany koa no ifampizaran’ireo mpandraharaha nahazo alalana hanondrana lodsia any Eoropa amin’ity taom-piotazana 2010 ity.
 
Jean D.
 
Sary : Roland Ratsiraka, Filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT