Actualités

Rocade Andohatapenaka Vatoaratra 60 no efa lasan’ny mpangalatra


  • Alakamisy 20 Jolay 2017

Ripaky ny mpangalatra ireo vatoaratra na “batterie” mampandeha ireo andrin-jiro manazava ny tanàna eny amin’ny Rocade Andohatapenaka.

Vao omaly alarobia indray dia mpangalatra maromaro no nifanenjehan’ny voamieran’ny fandriampahalemana teny amin’ity fokontany ity  tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Raha ny fanazavan-dRakotoarifeno Théodore, lehiben’ny vaomieran’ny fandriampahalemana eny an-toerana dia mbola tavela sy hita teny an-toerana avokoa ireo karazam-pitaovana nentin’ireo mpangalatra niaraka tamin’ireo vatoaratra vao saika nangalariny. Tafaporitsaka anefa izy ireo. Raha ny fanazavan’ireo mpampiasa iny lalana iny dia saika mahatazana mpangalatra vatoaratra eny an-toerana hatrany izy ireo isan-kariva raha vao migadona ny amin’ny 9 ora alina.  Tsy latsaky ny 60 no efa nanjavona hatreto  koa iantsoana ny fifanomezan-tanan’ny rehetra. Angatahin’ny tompon’andraikitra eny an-toerana ihany koa ny famerenena ireo vatoaratra tratra amin’ny laonina satria nisy tamin’ireo efa tratra teo aloha no tsy hita izay nanjavonany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT