Any La Haye namonjy ny asany vaovao eo anivon'ny Fitsarana iraisam-pirenena na CPI (Cour Pénale Internationale) ny Tale jeneralin'ny Tahirimbolam-panjakana teo aloha, Robimanana Orlando
. Izy moa dia anisan’ireo voafidy ho mpikambana ao amin’ny komitin’ny tetibola sy ny fitantanam-bola eo anivon’ny CPI. Nandritra ny fivoriambe faha-13-n’ireo firenena nanao sonia ny fananganana ny CPI tao amin’ny foiben’ny Firenena Mikambana tany New York tamin’ny 8 desambra 2014 no nahavoafidy azy. Mandinika ireo dosie mikasika ny fitantanam-bola sy tetibola eo anivon’ny CPI sy ny fivoriamben’ireo tany mpikambana no iraka ampanaovina azy. Mivory in-droa isan-taona ny komity, ary telo taona no faharetan’ny taom-piasany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.