Efa mivaona ny tanora amin’izao ary very ny soatoavina malagasy. Ny alahady teo tao Toliara, tovolahy roa no namoa-tsampona tao am-piangonana niady sipa. Tsy nijanona tamin’ny fifamaliana am-bava teny ivelan’ny intsony ny an’ireto mpirafy ireto fa nitohy tao am-piangonana. Tonga dia nivatravatra ny tovolahy iray nipetraka somary nanandrify ny varavarana fidirana ary nilany vaniny sy nihantsy ady mpiangona iray teo alohany. Raikitra ny taim-bava avy eo, ary tsy nahalala menatra intsony teo imason’ny mpiangona.
Nirarakopana teny tsy faneho masoandro
Nitsikafona ny teny tsy faneho masoandro. Rafitra ny totohondry, vaky vava nivoa-dra ny iray nila kisa. Tsy nijanona teo ny tantara fa mbola nifampitolona teny ivelan’ny fiangonana izy roalahy, rehefa vita ny fotoam-bavaka. Tezitra ny tompon’andraikitra tao amin’ity fiangonana ity (izay niangavy tsy ambara eto ny anaram-piangonana sy ny toerana misy azy), ka nandroaka azy ireo. Tsy vao sambany no nahitana sy nisy ady toy izao tao amin’ity fiangonana ity, raha ny vaovao voaray. Tongo-bakivaky, sady maharary no mahamenatra
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.