Ao amin’ny minisiteran'ny Serasera no nitranga ny vaovao. Maro amin’ireo olombelona mampihodina ny RNM sy TVM any amin’ny Faritra no tsy mpiasam-panjakana. Niezaka ny minisitera ary nampiditra ireo mpiasa ireo ho ECD (Emploi de Courte Durée).
Mahatratra 20 eo ry zareo misandrahaka amin’ireo Distrika ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Vatovavy Fitovinany. Nanomboka ny 1 aprily 2015 teo ny «contrat» saingy tamin’ny fiandohan’ity volana ity vao nandray ny karama aprily ka hatramin’ny aogositra 2015. 1.000.000 Ariary eo ho eo ny totaliny ho an'ny olona iray. Gaga anefa ireo mpiasa vao noraisina ho ECD ireo fa tsy maintsy averina, hono, ny 600.000 Ariary na 60%-n’ny karama, hanoloana ny vola navoaka tamin’ny fampielezan-kevitra sy handoavana ny vola handefasana ny zanaky ny mpiasa iray isam-paritra hanao vakansy ary hikarakarana ny ASOIMI izay fifaninanana ara-panatanjahantena ifanaovan’ny samy mpiasam-panjakana. Zavatra izay tsy fantatry ny mpiasa raha tsy vao izao handray karama izao. Tsy maintsy ireo mpiasa no maka ny vola any amin’ny Trésor vao azo. Ny tsy nanaiky dia rahonana horoahina amin’ny asa fa izay, hono, no baiko midina. Ankoatra ny taona maro efa nanompoan'ireto mpiasa ny RNM sy TVM dia voa ihany ny saina nanao sonia fa handray vola manomboka ny volana aprily nefa dimy volana aty aoriana hafa ny tranga. Ny minisitera ve no tompon-kevitra mitango vola io sa ny foibem-pampianarana eny anivon’ny Faritra ? Mitaraina ireo mpiasa ka nandefa fitarainana isam-baratongany avy.
Ra-Bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.