Actualités

RN7 Mahavelon-taraina ny ataon’ny zandary sasany


  • Alatsinainy 12 Novambra 2012

Mahavelon-taraina ny mpampiasa ny lalam-pirenena fahafito iny indraindray ny antsojay ataon’ireo zandary miasa amin’iny.

 Raha maro ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana hampandry fahalemana ny mpampiasa ny lalana, indrindra amin’ny lalam-pirenena fahafito iny dia maro koa ireo mitaraina vokatry ny fihetsika ataon’ireo mpitandro filaminana sasany amin’ny fanaparam-pahefana tafahoatra. Raha ny tranga iray vao tsy ela niseho tamin’ny lalana hivoaka an’Antsirabe iny nijoroana vavolombelona nitantara, tamin’ny fiandohan’ny volana novambra, nandritra ilay fotoana lavalava nialana sasatra iny, dia nisy fianakaviana avy nivoaka nitsangantsangana tany Ampefy nosakanana mpitandro filamaninana ary nogiazan’izy ireo ny taratasin’ny fiara izay voalaza fa ara-dalàna avokoa. Nilaza ireo zandary fa andefasana fiantsoana an-taratasy izy ireo hakany ny taratasin’ny fiara. Tsy nanaiky ny mpitodra ny fiara ary nangataka fanazavana, fa tsy misy antony tokony hitazonana ny taratasiny. Nony elaela dia naverin’ireo ihany ny taratasy saingy nitaky «ordre de mission» indray izy. Fa tranga hafa koa, araka ny nambaran’ny nanatri-maso ny fisintonana mpitandro filaminana olona iray tao anaty fiara izay lazainy fa mamo ka niafara tamin’ny fampidirana «violon» mihitsy na ny mifanohitra amin’izany aza ny zava-miseho. Mampametra-panontaniana ny maro noho izany ny fihetsika ataona mpitandro filaminana sasantsasany manimba endrika ny asa sy ny ezaka efa vita hatrizay. Aiza ho aiza ny fampiharana ilay tenin’ny lehibe fa hosaziana ireo mpitandro filaminana manao tsirambina ny asany toy izany ?

 
Caïus Raharison
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT