Actualités

RN7 Hotapahina adiny telo isak’alina


  • Zoma 16 Jolay 2010

Manomboka amin’ny misasakalina ary tsy hifarana raha tsy amin’ny telo ora maraina ny barazy izay hapetraka amin’ny lalam-pirenena fahafito. Noraisin’ny mpitandro ny filaminana izany fepetra izany manoloana ny fanafihana nisesisesy izay nitranga tamin’ny RN7.

Tao ny fanafihana taksibrosy, toy ilay vao nitranga ny alarobia teo tetsy Andranomanelatra Antsirabe, tao ihany koa ny fandrobana toeram-pivarotana roa tetsy Bongatsara, eo amoron’ny RN7. Raha ny fantatra dia eo amin’ny 12 alina sy amin’ny telo ora maraina hatrany no fitrangan’ny fanafihana amin’iny lalam-pirenena iny. Izay no antony nanapahana ny hevitra amin’ny fametrahana sakana eo amin’ny toerana iray ao Vakinankaratra. Hosakanana avokoa ny fiara avy any atsimo na koa ireo izay avy any avaratra. Tsy afaka ny hiala teo ireo raha tsy mipaika ny amin’ny telo ora maraina. Hatreto aloha dia mifampanahy ny mpitandro ny filaminana momba ity fanafihana misesisesy amin’ny RN7 ity. Ny antony dia noho ny fitondran’ireo mpanafika kalachnikov hatrany. Karazana fitaovam-piadiana izay tsy misy afa tsy ny mpitandro ny filaminana no tokony hitazona azy. Mahakasika ilay fanafihana tetsy Bongatsara aza dia nisy mihitsy no sahy nilaza fa mpitandro ny filaminana no tompon’andraikitra tamin’ireny. Nampiahiahy mantsy ny fahatongavan’ny mpitandro ny filaminana haingana loatra teny an-toerana taorian’ny fanafihana. Dia nipetraka ny fanontanian’ny sasany hoe sao dia mba ireo ihany ? 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT