Niala 4x4 dia nitsoraka avy eny ambony tetezana ary lasa tany anaty rano ilay minibus Mazda, mpitatitra olona amin’iny faritr’i Vakinankaratra iny.
Nitsilany tao anaty rano ilay fiara, izany hoe ny kodiarana no tazana tety ambony rano. Namoy ny ainy ny iray ary naratra ny telo tamin’ireo mpandeha tao anatiny. Omaly misandratr’andro no niseho ny loza tao Ambatolampy tampon-tanàna. Nijanona ilay fiara niavian’ny loza, nosokafana avy hatrany ny fanadihadiana, nisy rahateo ny faty olona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.