Actualités

RN5- Mahavelona Foulpointe Andramena 125 notaomina tsy amin’ahiahy


  • Alarobia 10 Oktobra 2012

«Tsy azo aondrana, tsy azo kapaina, tsy azo taterina, tsy azo tehirizina, tsy azo amidy…ny andramena malagasy», araka ny fanambin’ny fanjakana tetezamita, efa nanomboka tamin’ny governemantan’ny praiminisitra Camille Vital voalohany, nitohy tamin’ny faharoa ary tonga amin’ny praiminisitra Beriziky Jean Omer ankehitriny.

 Tsy izay anefa ny zava-nisy fa mbola tafavoaka an-tsokosoko ny andramena, anisan’izany ireo kaontenera 12 lasa tany Singapour sy Malaisie, nefa ny 08 kaontenera ihany no tafaverina ny volana jolay sy aogositra teo, izay tsy fantatra hatreto ny fanadihadiana natao taminy sy ny mikasika azy ireo eo anivon’ny seranantsambon’i Toamasina. Ny raharaha teo aloha tsy mbola voatsara na ireo «azo anilihana» ihany no miditra am-ponja, misy indray izao ny vaovao tamin’ny lalam-pirenena (RN5) tamin’ny fotoana nandalovan’i Andry Rajoelina tany ny fampidirana ny entana anaty kaontenera sy tao anaty kamiao ary ny fitaterana azy tsy amin’ahiahy.

Ny sabotsy 06 oktobra tokony tamin’ny mitatao vovonana, dia nahazo vaovao mikasika ireto andramena ireto ny mpitandro ny filaminana. Tao amoron-dranomasina akaikin’i Mahavelona Foulpointe no fantatra fa namenoana ilay kaontenera sy kamiao iray. Efa vonona teo nandritra izany araka ny vaovao ireo mpiasan’ny talem-paritry ny tontolo iainana sy ala (DREF) roalahy voalaza fa nanara-maso izany fa natao «saisie» (?) ilay andramena. Tao Mahavelona Foulpointe tampon-tanàna kosa no nalaina ireo zandary efa-dahy mba hanaraka ireo hazo sarobidy na tsy niatrika ny fanisana ireo hazo akory aza. Tokony ho tamin’ny 6ora hariva no niainga tany an-toerana ireo bolabolan’andramena 215 isa. Nanomboka teo koa ny fanaraha-maso sy fanarahan-dia nataon’ny mpitandro ny filaminana azy rehefa lasa ny ekipan’Ambohitsorohitra.

Gaga anefa izy ireo fa efa nisy ity fiara 4x4 iray manao dia mandroso miverina manara-maso ny lalana andehanan’ilay andramena. Tratran’ireto mpitandro ny filaminana ireto ihany ilay fiara nitondra ny andramena. Raha natao ny fisavana dia nanana taratasina “saisie” izy ireo, nefa ny nahagaga araka ny loharanom-baovao, dia “tsy voasoratra tao anatin’ilay taratasy fanagiazana ny isan’ilay andramena marina sy ny toerana nakana azy, afa-tsy ny filazana fa andramena voagejan’ny talem-paritry ny tontolo iainana sy ny ala”. Ny loharanom-baovao koa no nahalalana fa “tsy nitovy hevitra ireo mpiasan’ny DREF Atsinanana tamin’ny isany marina. Ny iray milaza fa 120 ny faharoa kosa milaza fa 125 no isan’ireto andramena ireto. Ireto zandary nanaraka azy koa dia tsy niatrika ny fanagejana sy ny fanisana azy akory, nefa nanana taratasy mazava mikasika ny asa nampanaovina azy”. “Baiko ny anay” hoy ireo olona nitondra ilay andremana raha saika raikitra ny sakoroka teo amin’ny mpitandro ny filaminana nanara-maso sy ireo niaraka tamin’ilay hazo sarobidy. Vao mainka nihamafy ny raharaha tonga tao amin’ny barazin’ny FIP Ambalamanasy ny sabotsy 06 oktobra tokony ho tamin’ny misasakalina, nefa nilefitra ireo mpitandro ny filaminana taorian’ireo baiko nidina maro an-telefaonina.

Misy ifandraisana ve ny raharaha ? Roa herinandro talohan’ity tranga ity mantsy dia efa nisy ny vaovao nandeha fa misy andramena an-jatony isa narian’olona tao anaty ranomasina teo akaikin’ny «Ile aux prunes». Voatery nariana tao izy ireo noho ny fihenjanan’ny fanaraha-maso nandritra nivoahan’ireo “ordonnances” samihafa sy nisian’ny “Task Force” ary nisiana fanaraha-maso henjana ireo sambo avy any SAVA sy Maroantsetra. Ny fanadihadiana no hilaza ny marina, “raha ho vita sy hatao tokoa”, satria efa mandeha be sahady ny resaka fa manamboninahitra be kintana sy olom-panjakan’ny tetezamita no ao ambadik’izao raharaha izao. Mbola hazonina eo anivon’ny DREF Atsinanana ireo andramena miisa 215 ankehitriny miandry ny fanadihadiana azy.

Rakoutou 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT