Nisy loza mahatsiravina nahafatesana olona telo indray nitranga tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Fiara vaventy roa no nifandona teo amin’ny toerana atao hoe Manadala, Fokontany Tsiazompody, Kaominina Ampasipotsy Gara, PK 120 + 500 na valo kilaometatra sy sasany miala an’i Moramanga raha ho any Toamasina.
Tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany no nitranga ny fifandonana, ary raha ny fijery ny fahavoazana dia hita fa mafy tokoa, satria potika tanteraka ny lohan’ireo fiara anankiroa nifandona.
Ilay fiarabe iray avy any Toamasina dia nitondra lafarinina 32 taonina tany ary ilay avy aty an-drenivohitra kosa dia kaontenera foana no nentiny.
Telo no olona namoy ny ainy teo no ho eo, ka ny roa dia ireo mpanampy ny mpamily, araka ny filazan’ireo olona teny an-toerana, ny iray fahatelo kosa dia mpitandro ny filaminana. Ny tena nahavariana ireo nahita ny fahavoazan’ireo fiarabe ireo dia ny fahafantarana fa tsy maty ireo mpamily roalahy fa tsaboina ao amin’ny Hopitalin’i Moramanga, ka ny iray no fantatra fa tapaka ny tongony. Ireo fokonolona teny an-toerana no nifanampy nanavotra ireo olona tao anaty fiara niaraka tamin’ny Kaompania sy Borigadin’ny zandarimaria tao Moramanga izay tonga avy hatrany tany Manadala raha vao naheno ny loza.
Fa ny loza dia tsy tonga ho azy indraindray fa ao koa ny tsy fitandremana toy ny nahazo ity fiarabe iray mpitondra solika izay efa najanon’ny zandary teo amin’ny toerana nisehoan’ity loza ity ihany, fa nilaza ho maika ranamana, ka dia nandeha ihany, kanjo dia nikorisa ny rambony ka dia latsaka tany anaty tatatra ary soa fa tafankina tamin’ny andrin-tany ka tsy nivadika ary tsy nipoaka, fa raha izay no nitranga dia zava-doza.
Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana moa ny fanadihadiana, ary ny razana roa dia efa hitan’ny havany ka ny iray dia efa nentiny any Antongobato, ary ny iray dia ao Moramanga, fa ilay mpanampy iray no mbola tadiavina izay fianakaviany.
ONNI Razatovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.