Araka ny vinavina dia heverina hiditra amin’ny sisin-tanin’i Madagasikara farafahatarany anio maraina ilay rivodoza Haliba. Omaly tolakandro dia tany amin’ny 90 km avaratra andrefan’i Tambohorano no nahitana ny ivony
. Araka ny vaovao voaray avy tamin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro, tsy dia mampiseho hery be izy hatreto. Mikisaka moramora manatona an’i Madagasikara amin’ny hafangainam-pandeha 10km/ora i Haliba ary mitondra rivomahery 65 km/ora. Nahazo fampitandremana loza mitatao miloko mena ny faritr’i Melaky manontolo sy ny distrikan’i Soalala. Tsiahivina fa efa misy rivodoza miforona ihany koa any amin’ny ilany atsinanana afovoan’i Madagasikara. Nahazo fampitandremana loza mitatao koa ny faritr’i Vatovavy Fitovinany, Atsimo Atsinanana, ny distrikan’i Tolagnaro ary ny faritr’i Menabe.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.