Omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora teo no niditra an-tanety tao Cap Masoala ilay rivodoza Eliakim, raha araka ny vaovao azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby.
Nitondra rivotra hatrany amin’ny 100 km isan’ora ity rivodoza ity raha mahatratra hatrany amin’ny 140 km isan’ora kosa ny tafio-drivotra entiny. Omaly tolakandro dia niditra fanindroany any amin’ny distrikan’i Maroantsetra indray ity rivodoza ity. Namakivaky ny distrikan’i Mandritsara i Eliakim hatramin’ny alina ary vinavianina hivoaka an’i Madagasikara rahampitso alahady maraina. Tsiahivina moa fa vehivavy iray no namoy ny ainy tany amin’ny distrikan’i Nosy Be, omaly. Trano 30 isa mahery ihany koa no rava. Any Soanierana Ivongo dia trano 30 isa ihany koa no rava ary manodidina ny 95 isa ireo traboina ao amin’ny fokontany Ambinany hatramin’ny omaly ihany. Tsy nisy nianatra sy niasa mihitsy ireo mpianatra sy mpianatra any amin’ireo distrika ireo araka izany omaly. Nanamarika moa ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena fa miankina amin’ny fivoahan’ity rivodoza ity any an-dranomasina no handraisan’izy ireo fanapahan-kevitra ihany koa mikasika ny hitohizan’ny fianaran’ny mpianatra any amin’ireo faritra mena amin’ny alatsinainy ho avy izao na tsia.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.