Actualités

Rivodoza Berguitta Nandravarava an’i Maorisy sy La Réunion


  • Zoma 19 Janoary 2018

Tany amin'ny 955 km Atsinanan’i Nosy Varika no nisy ny foiben’ilay rivodoza Berguitta omaly alakamisy 18 janoary tamin’ny atoandro. Nitondra rivotra 102 Km/ora izy, narahina tafiotra 144 Km/ora. Manafaingana ny diany mianatsimo andrefana izy ary mahafaka 24 Km/ora. Tsy hiditra eto Madagasikara izy fa tombanana ho amin’ny antonony kosa ny rotsak’orana hoentiny any amin’ny faritra Atsimo amin’ny faran’ny herinandro.


Hahery na hahery be ny ranomasina eo anelanelan’i Brickaville sy Tsihombe hatramin’ny rahampitso sabotsy. Entanina ny mpiandriaka mba tsy hivoaka andranomasina hisorohana ny mety ho faharendrehana. Tany amin’ny 55 km atsimo andrefan’i La Réunion kosa no nisy io rivodoza io omaly 4 ora hariva, ary efa tonga any ny orambe sy ny rivotra entiny.  Efa zavatra maro kosa no potika tao amin’ny Nosy Maorisy sy La Réunion omaly noho ity rivodoza ity. Tanàna maro no tondra-drano sy dibo-drano ary zavatra maro no potika nanomboka ny takarivan’ny alarobia lasa teo. Mikasika ilay andro ratsy tao amin’ny Lakandranon’i Mozambika kosa dia tsy nahakasika an’i Madagasikara sy tsy nisy fiantraikany tamin’ny toetr’andro taty amintsika. Afa-doza aloha izany i Madagasikara. Tsy mbola sitrana anefa ny fery sy ny takaitran’i Ava nanimba zavatra, indrindra tany amin’ny ilany avaratry ny nosy.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT