Actualités

Ritra ny volam-panjakana 3 % sisa no tetibola ihodinan’ny ministera sasany


  • Alarobia 01 Septambra 2010

Ministera maro ankehitriny no milalao tanana ny tomponandraikitra ao aminy fa tsy misy ny vola. Araka ny fantatra mantsy dia nahena ny tetibolan’ny ministera rehetra.

Misy ny 50 isan-jato ary misy koa anefa no tonga hatramin’ny 30 isan-jato sisa no tetibola ampiasain’ireo ministera sasany. Ny ankamaroan’ny ministera anefa dia saika efa nahalany ny 50 isan-jaton’ny tetibolany avokoa. Taorian’ity fampihenana ity dia zara raha misy horaisina eny anivon’ireo ministera ireo. Tamin’ireo ministera nahena 50 isan-jato ny tetibolany koa anefa dia misy efa nandany ny 47 isan-jaton’ny anjarany, izany hoe 3 isan-jato sisa no ampiasaina hatramin’ny faran’ny taona. Tsy maintsy hisy fiantraikany eo amin’ny asa andavanandro izany na inona filaza na inona ambara. Araka ny feo mandeha dia izay no anisan’ny niteraka fahatarana andro maromaro tamin’ny fandoavana ny karaman’ny miaramila ny volana aogositra teo iny. Efa nisy ny fimenomenomana saingy nipetraka ho anaty ihany izany hatreto. 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT