Actualités

Riri Be Nidoboka ao Ambalatavoahangy


  • Alakamisy 15 Novambra 2012

Nihazakazaka ny fandehan-draharaha ao Toamasina.

 Taorian’ny nanaovana sarika am-pandriana an-dRakotomalala Henri na Riri Be sy Mandraina Félix mpitarika ny hetsika “Tsy misy miala aketo niany”, sy mpikambana efatra hafa, ny talata tamin’ny 1 ora maraina, dia omaly tolakandro ihany izy ireo dia efa natolotra ny fampanoavana. Namoaka didy savaranonando ny mpitsara mpanao famotorana, ka dia notanana am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy i Riri Be sy ireo efa-dahy mpikambana ao amin’ny hetsika ; nahazo fahafahana vonjimaika kosa i Mandraina Félix. Vory olona teo anoloan’ny Lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina nanaraka ity raharaha ity, efa niatrana ary tsara ambin’ny Emmo-Reg anefa ny Lapan’ny fitsarana, nisorohana ny mety ho fihoaram-pefy.

Zavatra telo loha no iampangana azy enin-dahy ireo, dia fanalam-baraka sy fanivaivana mpitondra fanjakana. Ny Lehiben’ny Faritra Atsinanana no mpitory amin’io. Faharoa dia fanimbana fefin’olona. Nisy olon-tsotra nitory indray teto, ka ny anaran’izy enin-dahy no indray voatonona tao. Fahatelo dia fisolokiana, fitakiana vola ary fanaovana hosoka, ka ny tetikasa Ambatovy no mpitory teto. Voalaza fa dia manana porofo ny zandary sy ny fitsarana mikasika an’ireo. Zanak’i Toamasina roa izany no indray nidoboka am-ponja tao anatin’ny 24 ora, dia ny Tangalamena Zakariasy Patrick nampidirina eny Antanimora Antananarivo, ary ry Riri-Be sy ireo namany efa-dahy ao Ambalatavoahangy Toamasina.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT