Actualités

Riana Ranjeva Eny amin’ny hopitaly ?


  • Alatsinainy 29 Novambra 2010


Niditra teny Antanimora izy ny alin’ny zoma teo, notanana vonjimaika am-ponja mandra-pahatonga ny fitsarana azy, izay rahampitso no hotontosaina etsy Anosy. Raha araka ny vaovao niely omaly dia voatery nentina nivoaka ny fonja izy ary nentina eny amin’ny toeram-pitsaboana nanomboka ny sabotsy lasa teo noho ny tsy fahasalamany. Vaovao izay mbola tsiliantsofina ihany aloha ny nahenoana azy. Tsiahivina fa notazonina am-ponja ary hotsaraina i Riana Ranjeva, zanaka vavin’ny Pr Ranjeva Raymond, noho ny fanivaivana mpitandro ny filaminana nandritry ny fotoana nisavana ny tranony tetsy Ambaranjana sy nandritry ny fanadihadiana azy. Amin’ny lafiny iray koa anefa dia mety notazonina izy amin’ny antony tsotra dia ny hamerana sy hampitahorana ny rainy mba tsy hiditra lalina amin’ny fanoherana ny fitondran-dRajoelina. Endrika fampitahorana izay mahazo ny rehetra izay hatahorana hanembantsembana ihany… 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT