Actualités

RFI - BANI Ivato Niara-nifety ny jeneraly Zafera sy komandŕ Roger Luc


  • Alakamisy 03 Jona 2010


Niara-nilanonana teny Ivato ny jeneraly Ginoasy Désiré, lehiben’ny Hery vonjin’ny Tafika Malagasy, ny Jeneraly Zafera, lehiben’ny Hery Vonjin’ny Zandrimariam-pirenena, ny Kolonely Ralaimboandrainy Gabriel, lehiben’ny Hery ana Habakabaka ny Tafika Malagasy ary ny kolonely Raharijaona Sedera, lehiben’ny 1er RFI ny talata 01 jona teo. Nandritra ny fanolorana ny mari-pahaizan’ireo manamboninahitra mpilatsaka amin’ny elonaina no nisian’ity lanonana ity. Nankalazaina tamin’ity ihany koa ny faha-50 taona nisian’ny Vondrona mpilatsaka amin’ny elonaina voalohany teto Madagasikara. Mbola tamin’ity lanonana ity ihany koa no nanaovana ny nofon-kena mitam-pihavanana hanamafisana orina indray ny firahalahiana misy eo amin’ny BANI sy ny 1er RFI taorian’ireny tranga nahafaty ny lietnà Théodule farany ireny.

Ny tena nampiavaka ity lanonana ity dia tao amin’ny toby 1er RFI no nanaovana azy ary ny komanda Roder Luc no nitarika izany. Rehefa avy eo moa dia niara-nisotrosotro avokoa ireo jeneraly sy ireo manamboninahitra vao nahazo ny mari-pahaizana sy ny komanda Roger Luc.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT