Actualités

RF2 Ambohitrarahaba Feno loto ny lalana


  • Alatsinainy 10 Aogositra 2015

Toy ireo fokontany maro eto Antananarivo sy ny manodidina dia mampihatra ny RF2 ihany koa ny fokontanin’Ambohitrahahaba ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

 

 Fandaharan‘asa entina  hamoriana ny  fako sy  ho fitandroana ny  fahadiovan’ny tanàna izy io. Sady  manadio ny  tanàna ny RF2 no  manome  asa tokantrano vitsivitsy  ihany  koa. Noho  izany dia misy ny vola atao latsakemboka ataon’ny isan-tokantrano. Raha ny toy ny ao Ambohitrarahaba no asian-teny, 6 000 ariary isan-taona no aloa  na 500 ariary isam-bolana ho an’ny isan-tokantrano. Etsy an-danin’izay dia tokony hanara-maso  amin’ny  fizotry ny  asa ihany koa ny fokontany  satria raha misy taratasy tiana hatao eo anivon’ny fokontany dia anontaniana ny  karatry ny  RF2 na voaloa ara-dalàna ny latsakemboka na tsia. Mbola  hafa ambonin’izay ny latsakemboka aloan’ny mpivarotra amin’ny  fanadiovana ny tsena.

Fa ny  tiana hitarihana ny saina dia tsy tonga amin’ny ilana azy akory ny tanjona amin’ilay asa fa toa vao mainka mandoto ny atin-tanàna ilay tetikasa. Saika feno ny  fakon’ny olona ny kihon-dalana rehetra, ny any anaty tata-drano sy ny vodin-trano ka lasa  miparitaka indray. Ny fiparitaky ny voalavo atahorana amin’ny aretina indray. Ny fokontany mpifehy ny tanàna toa tsy manara-maso akory. Amin’izao fahavitan’ny  fifidianana ben’ny tanàna izao  dia ampatsiahivina fa izany daholo ny asa mila arindra eny anivon’ny  fokontany. Noraisina ohatra Ambohitrarahaba noho izy fokontany  be mponina indrindra eto  Madagasikara.   

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT