Actualités

Rezervista Mitaky fampisondrotan-karama


  • Alarobia 19 Mey 2010

Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra mba hijery akaiky ny momba azy ireo ny rezervista. Ny fandoavana ny «alignement» sy fampiakarana ny karama raisin’izy ireo mba hifanaraka amin’ny mari-karama na «point d’indice» moa no takian’ireto rezervista ireto.

Araka ny resaka nifanaovana tamin’ny solontenan’izy ireo omaly, dia tamin’ny taona 2008 no nampiakarina ho 1000 ity «point d’indice» ity, raha toa ka 620 izany teo aloha. Tsy niakatra nanaraka an’io anefa ny vola noraisina fa dia nijanona ho 90 000 ariary ihany ary mbola izay hatramin’izao 2010 izao. Tsy sanatria filam-baniny ny ataonay, fa tena fitakiana ny zonay madiodio, araka ny filazan’ny solontenan’ny rezervista tafaresaka taminay. Ny somary nahagaga ihany koa araka ny nambarany, dia nisy ny fanomezana vola, tafiditra ao anatin’ilay «alignement» tamin’ny herintaona, saingy ampahany tamin’ny rezervista ihany no nahazo. Mampaneno lakolosy izy ireo amin’izao fiandohana izao, mba handinihan’ny tompon’andraikitra izay tokony hatao, satria manamafy ny rezervista fa miasa ho an’ny tanindrazana izy ireo, nisy ny naratra sy nitondra takaitra, ary efa nisy mihitsy aza ireo namoy ny ainy. Raha manao be marenina ny tompon’andraikitra dia hihamafy koa ny fitakiana, araka ny filazan’ity solontenan’ny rezervista ity, saingy tsy nambarany mazava moa ny mety ho endrik’izany fitakiana izany. Mahatratra 6.000 eo ho eo ny rezervista manerana an’i Madagasikara amin’izao fotoana, raha araka ny fanisana farany. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT