Taorian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia tonga teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha koa omaly ny Révérand Andrianalijohn Ndriamanampy nitsidika sy nitondra fankaherezana ary nivavaka ho an’ny filohan’ny MFM Manandafy Rakotoniriana izay iharan’ny tsy fahasalamana goavana ka nahavoatery nanapahana ny tongony ilany.
Tsy dia fitsidihana politika loatra no nataoko teny, hoy izy, na dia nampifandraisan’ny politika tokoa ary ny finamananay mirahalahy fony niara-nikirakira ny fananganana tany amin’ny birao fiasan’ny filoha Manandafy ny antoko MFM sy ny AMF/3FM. Fotoana tsy hohadinoina izany fa nifamatoran’ny fiarahana mandraka ankehitriny. Inoako fa manamaivana ny aretina mahazo azy na dia tsy hitondra fanasitranana mivaingana ho azy aza iny famangiana nataonay iny. Faly aho raha nahita an-gazety fa efa nahatsidika azy teny amin’ny hopitaly ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana nialoha ahy. Dingana ho any amin’ny fihavanana ny nataony tahaka ny dingana nataoko teo aloha nampihavana an’i Marc Ravalomanana sy Andrinirina Rajoelina. Mahakasika ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny dia ninia nangina izahay nandritra ny fotoana naharitraritra ihany, indrindra tamin’ny fotoanan’ny fifidianana kaominaly. Fotoana indray izao hilazana amin’ny mpiray tanindrazana fa mila haverina ny hasin’ity firenena malagasy ity izay tadiavin’ny vahiny hoviraviraina tanteraka. Anisan’ireny ny resaka sainam-pirenena tamin’ny lalaon’ny nosy teo. Isika koa toa lasa mpiasan’ireo vahiny ka izy migalabona amin’ny toerana lehibe sy tsara tarehy fa ny Malagasy eny amoron-dalana sy eny an-davarangana no misy azy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.