Actualités

Rév. Satrobory Mandefa taratasy misokatra ho an’i Nicolas Sarkozy


  • Alarobia 14 Jolay 2010


Tsy mitsaha-mitotongana raha ny fahitana an’i Frantsa, tato anatin’ny volana vitsy, hoy ny Rév. Andrianalijonh Ndriamanampy Jean Emmanuel na i Satrobory ao anatin’ilay taratasy misokatra nalefany ho an’ny filoha frantsay, Nicolas Sarkozy sy ny Ambasadaoron’i Frantsa monina sy miasa eto Madagasikara, Jean-Marc Chataîgner. Anisan’ireny, hoy izy, ny faharesena sy baràka afaka teo anivon’ny ekipam-pirenena frantsay nandritra ny Mondial 2010, ny resaka fizahan-tany mamoafady maha voarohirohy ministra frantsay, ny fihoaram-pefy nataon’ingahy Joyandet, raha tsy hiteny afa tsy ireo. Manoloana ireo dia nazava ny tenin’ny Rév. Satrobory fa tsy anjaran’i Frantsa ny hanome lesona ny Afrikanina, indrindra ny Malagasy kanefa ny eo aminy aza tsy voafehiny. 50 taona taorian’ny nahazoana fahaleovantena, hoy ihany ny Rév. Satrobory ao anatin’ilay taratasy dia hitsakitsahina tanteraka ny zon’ireo vahoaka afrikanina sy Malagasy ary dia manohana izany i Frantsa. Notsindriany manokana ny volabe takalon’ny fanomezana alalana na koa famarotana ny toeram-pitrandrahana solika any Bemolanga sy Tsimiroro, ny nosy Juan de Nova sy Tromelin, manginy fotsiny ny fahamaroan’ny miaramila frantsay eo anivon’ny tafika Malagasy.

 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT