Actualités

Retirety eo amin’ny faha-65 taona Miteraka adihevitra be


  • Alatsinainy 09 Janoary 2017

Mikorontana ny sain’ireo mpiasam-panjakana am-perinasa taorian’ny fanambaran’ny minisitry ny Fitantanana sy Tetibola Rakotoarimanana Gervais ny alakamisy 29 desambra 2016 fa mihemotra ho 65 taona ny fotoana fisotroan-dronono ho an’ny fonksionera.

 

Niteraka adihevitra be teo anivon’ny fiarahamonina Malagasy mihitsy moa io fanapahan-kevitra io, indrindra ireo mpiasam-bahoaka voakasik’izany manokana. Mizara roa mazava tsara moa ny hevitra amin’izao fotoana izao ka misy ireo miombon-kevitra amin’ny minisitry ny Fitantanana sy ny Tetibola. Ao ihany koa ireo mitsivalana sy tsy manaiky izany. Nilaza kosa anefa ny minisitry ny Asam-panjakana sy ny Lalàna sosialy fa sosokevitra ohatra ny tolokevitra rehetra ihany izy iny ny alarobia 4 janoary 2017 teo. Masontsivana maro rahateo no tsy maintsy jerena mialoha ny fanapahan-kevitra hentitra, hoy ny minisitra Maharante Jean de Dieu. Anisan’izany ny fijerena akaiky ny tontolon’ny tanora Malagasy na koa ny lafiny fitantanam-bolam-panjakana. Mandeha kosa ny feo ankehitriny fa fepetra iray takian’ireo mpamatsy vola ity fanemorana ny taonan’ny mpiasam-panjakana Malagasy handeha hisotro ronono ho 65 taona ity. Hita ho tena kely anefa ny herijika hahatafita eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna manova taona ny handehanan’ny mpiasa misotro ronono ho 65 taona ity, raha tena mihaino sy mitondra ny feom-bahoaka marina ny solombavambahoaka. Lavin’ny ankamaroan’ny Malagasy io vinavinan’ny minisiteran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola io. Efa famonoana olona ny mbola hanitarana hatramin’ny 65 taona ny taona hiasana, hoy ny sasany. Betsaka ny tanora tsy an’asa ka aleo ho an’ny tanora ny toerana, fa tsy bodoin’ny zokiolona efa tsy hamokatra firy intsony, hoy ny hafa

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT