Voatery niditra an-tsehatra mihitsy ny zandary ao amin’ny CFS na Centre de Formation Specialisée mba hanakana ity harem-pirenena ity. Tamin’ny taona 1527 no rendrika tao amin’ny fari-dranomasin’i Toliara ny sambo portogey iray.
Hatramin’izay ka hatramin’izao dia mbola ao io sambo io saingy ireo zavatra tao anatiny ireto nisy naka ireto. Tahaka izany ohatra ny “canon” iray lehibe izay milanja 400 kilao. Araka ny fantatra dia tamin’ny volana septambra 2009 teo vao fantatra ny fisian’ity sambo ity. Mpanjono no nahita azy voalohany tany amin’ny toerana antsoina hoe : Androka. Taorian’izay dia noraisin’ny fanjakana an-tanana ho anisan’ny harem-pirenena ity sambo ity sy izay rehetra tao anatiny. Ny APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluviale) no tomponandraikitra tamin’ilay izy. Teo anelanelan’izay anefa dia nisy orinasa naka ireo varahina 17 taonina ireo. Noraisin’ny zandary tany Toliara ny entana rehetra tamin’ny volana oktobra 2009. Nitory ilay orinasa ka nahazo fandresena. Efa nivoaka ihany koa ny didim-pitsarana ny amin’ny hamerenana ny tompony ireo vy milanja 17,5 taonina izay niadivan’ny ministeran’ny fifamoivoizana sy ny olona iray. Rehefa handeha haka ny fananany anefa io olona io, manaraka ny didim-pitsarana, dia akory ny hagagana fa efa tsy teo intsony ireo ampahan’ny entana. Ny ambiny sisa teo indray dia tsy navelan’ny ministeran’ny fifamoivoizana nahetsika.
Teo no niditra an-tsehatra ingahy Sareraka, mpikamban’ny HAT izay nilaza fa tsy izay taratasin’ny Sekretera Jeneralin’ny ministeran’ny fifamoivoizana akory no hanova ny didim-pitsarana. “Raha mbola izaho koa no Sareraka dia tsy hisy ny zavatra toy izao, tsy hanaiky mora foana ny endrika tsy manara-dalàna toy izao aho raha mbola mpiara-miasa amin’i Andry Rajoelina” hoy ihany izy manazava. Endrika iray indray ity fa mifandramatra ny samy olon’ny fitondrana. Mazava ho azy fa noho ny resaka ady tombontsoa … Ny loharanom-baovao hafa moa milaza fa mbola mitohy ny ady eny amin’ny Fitsarana hatramin’izao. Ilay orinasa anefa niezaka ny handefa ilay entana any ivelany. Vao niainga tany Toliara ilay kamio lehibe nitondra ity entana ity dia efa naheno avokoa ny zandary tamin’iny lalam-pirenena faha-7 iny. Tao Ambohimandroso anefa vao sarona ilay entana. Omaly vao maraina be dia efa tonga tany an-toerana i Sareraka ilay mpikambana ao amin’ny fahefana avon’ny tetezamita hanery ireo zandary handefa ilay kamio. Voatery niditra an-tsehatra taorian’izay ny zandary teny amin’ny CFS Ivato ka nalefa eny mihitsy ilay entana atao tsara ambiny. Ho hita eo moa izay hiafaran’ity resaka ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.