Nanomboka omaly dia nitokona tsy nisy niasa ireo mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny varotra etsy Ambohidahy. Tohizana anio sy rahampitso amin’ny alalan’ny «sit in» izay tontosaina eo an-tokotanin’ny minisitera izany araka ny tapak’izy ireo nandritra ny fivoriambeny omaly antoandro.
Raha ny fanazavana azo dia fitokonana fanairana mandritra ny 48 ora no atao saingy hihamafy izany raha mbola manao bemarenina ny minisitra. Antony roa no mahatonga ny fitokonana araka ny nambaran’ny solontenan’ny mpiasa izay nisafidy ny tsy hitonona anarana. Voalohany ny fandavan’ny minisitra Rakotonirina Jean Claude hanao sonia ilay didim-panjakana momba ny «prime»-n’ny mpiasa. Tombontsoa raisina isaky ny telo volana io saingy tsy mbola misy tokotaniny hatramin’izao. Efa nisy ny fangatahana fihaonana tamin’ny minisitra ny 03 martsa lasa teo raha ny fanazavana ihany saingy tsy nety nandray ny solontenan’ny mpiasa ity farany. Marihina anefa fa efa lany teo anivon’ny antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna momba io «prime» io ary tafiditra ao anatin’ny tetibolan' ny minisitera ihany koa.«Ny mahagaga amin’ny fihetsiky ny minisitra dia ity fandavany fanaovana sonia kanefa anie izy mihitsy no lohalaharana rehefa mivoaka ny « prime » toy ny tamin’ny taon-dasa», hoy ihany ireo mpiasa. Antony faharoa mahatonga ny mpiasa hihetsika koa ny fanesorana amin’ny toerany narahana famindran-toerana ny lehiben’ny sampandraharaha iray eo anivon’ny minisitera noho izy anisan’ny mpitarika ny komity mikarakara ny hetsika.
Tamin’ny faha roa ambin’ny folon’ny volana mey lasa teo no nahazo ny antontan-taratasy mamindra toerana azy ity farany izay saingy mbola mijanona miasa ao Ambohidahy io mpiasa io ankehitriny rehefa nolavin’ny mpiara-miasa aminy ilay didy. Raisin’ireo mpiasa ho fanaovana didy jadona moa ny fepetra noraisina amin’ny namany. Eo anatrehan’izany dia takian’ireo mpiasa ny fanafoanana io didy io sy ny fanaovan’ny minisitra sonia ilay didim-panjakana ihany koa. Hatramin’ny zoma izao no fe-potoana iandrasana ny valin’ny fitakiana. «Fantatray fa tsy manam-bola ny fanjakana ka tsy mitaky vola eo no ho eo izahay. Ilay didim-panjakana vita sonia no andrasanay ka rehefa tontosa izany dia mahatoky izahay fa tsy ho very ny tombontsoanay na dia amin’ny faran’ny taona aza vao hivoaka ny vola», hoy ireo mpiasa. Samy mahazo ny «prime» izay 5/12-n’ny vatakarama avokoa ireo mpiasa rehetra tsy ankanavaka. Miisa 400 kosa ireo mpiasan’ny minisitera manerana ny nosy. Andrasana ny fivoaran’ny toe-draharaha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.