Actualités

Resaka Parking eto an-drenivohitra Misy manao lava tananan’akanjo


  • Zoma 03 Aprily 2015

Tsy ny Malagasy ihany no miady tany sy mifampisisika eny amin’ireny parking ireny fa na ny vahiny ihany koa aza. Aiza ny fandraisan’andraikitry ny kaominina an’Antananarivo ?

 Niseho etsy sy eroa ny resaka ady tany, teto an-drenivohitra no nitranga ity tantara ity, ry zareo vahiny (teratany karana) no miady parking. Efa nampiasain’ny Magazay Safina ao Tsaralalàna hatramin’ny tamin’ny 1997 ny toerana izay bodoin’ilay mpandraharaha iray teratany karana Hassan Mohamed.  Manana ny taratasy rehetra mikasika ny fametrahana fiara eo amin’io toerana io ny  mpampiasa ny toerana  hatramin’izay dia i Safina. Raha ny zavatra nisy dia efa ela ihany koa no nisy lonilony teo amin’ny roa tonta. Ny tena nahagaga ny tompon’ny Safina dia ny nanomezan’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra fahalalahana na autorisation an’i Hassan Mohamed hametraka fiara eo anoloan’ny magazay Safina izay tsy nisy fifanarahana na fierana akory ny fametrahana fiara teo. Rehefa  nandeha ny fotoana dia tsy nanaiky ny hametrahana izany intsony ny tompon’ny magazay Safina  ka tonga teny an-toerana  ny kaominina CUA omaly maraina nanala ireo famantarana rehetra  sy niroso tamin’ny fanalana avy hatrany ny sakana nataon’i Hassan Mohamed izao. Andrasana ny tohin’ny raharaha eny anivon’ny fitsarana. Nahoana no omen'ny kaominina fahazoan-dalana roa samy hafa ny toerana na parking iray ? Nahoana ny kaominina no mandrava ny fahazoan-dalana izay efa nomeny ?

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT