Actualités

Resaka « Pacte de responsabilité » Milaza ny tena heviny marina ireo depiote


  • Alarobia 26 Aogositra 2015

Taorian’ny antso nataon’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ho an’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara hivondrona ho iray ka hikatsaka amin’izay ny tena fampandrosoana ny firenena dia samy manana ny heviny ihany koa ireo depiote sendra ny Tia Tanindrazana mikasika izany.

 


Razafindravelo Hermann, filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritany Toamasina :

“Ny ahy aloha ny fijeriko azy dia heveriko fa fotoanany izao hidirantsika amin’ny tena fampandrosoana amin’izay. Izany fampandrosoana izany anefa dia tsy ho tonga mihitsy raha tsy misy ny fitoniana eto amin’ny firenena sy ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana. Ka ny antoka ahatongavana amin’izany dia tsy misy afa-tsy io “Pacte de responsabilité” io. Efa hisaorana sahady ny fahavononan’ny rehetra hiroso amin’izy io ary heveriko fa tsy hisy intsony hisalasala hanao sonia an’izany ny rehetra fa hibanjina ny lokaloka nifanarahana tamin’ireo vahoaka nifidy  ny tena hiroso amin’ny  fampandrosoana. Araka ny tenin’ny filoha Rajaonarimampianina dia mila maro an’isa izy ka mino aho fa tsy izahay solombavambahoka no ho sakana amin’ny fampandrosoana. Mino aho fa matoa noresahina ity “pacte” ity  dia efa any ho any izy izay. Mbola haveriko fa vonona aho ary mitaona ny namako solombavambahoaka koa hiroso amin’ity fifanarahana ity mba ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy.


 

Razafimily Constance, Leader Fanilo

“Tena ao amin’ny filohan’ny Antenimiram-pirenena ao tokoa ilay fifanarahana atao sonia ka izahay Leader Fanilo dia tena vonona tokoa amin’ny fanohanana ny filoham-pirenena araka ny fangatahany. Rariny sy hitsiny raha ho tohanana izy amin’ny hanatanterahany ny tetikasa efa natolony tamin’ireny izy nirotsaka ho kandidà filoham-pirenena ireny ka nahatonga ny fanohanana azy”.


 

Jean Michel Henri

« Tokony havoakan’ny filohan’ny Repoblika sy ny Antenimieram-pirenena ho fanta-bahoka marina aloha ny fifanarahana tena katsahin’ny HCC ho atao fa na izahay solombavambahoaka aza tsy mbola mahafantatra azy io. Ny fanaovan-tsonia hoe hikatsahana maro an’isa eto amin’ny Antenimiera indray aloha dia tsy fantatray mihitsy. Sa hampanao  sonia fahatany eo indray ry zareo ? Ny resaka « Mémorandum » koa tsy misy fantatray hatreto fa io « Pacte de responsabilité » io no efa novoizina mafy tety Tsimbazaza ».


Nangonin’i Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT