Actualités

Resaka fananan-tany Miala any indray ny teny midina


  • Alatsinainy 25 Oktobra 2010

Hagagana ny an’ireo vaditany ao Toamasina raha nahalala fa misy izany taratasy nataona filohana vaomiera eo anivon’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita izany tonga eny anivon’ireo tomponandraikitry ny filaminana ao Toamasina.

Efa herinandro eo ny nisian’ity taratasy miendrika baiko midina ity, milaza fa “manomboka izao dia tsy azo atao sy miato ny fanaovana ‘expulsion’ ao Toamasina, Atsinanana sy Analanjirofo ary Alaotra Mangoro. Tsy mahazo manatanteraka izany koa ireo mpitandro ny filaminana, na eo aza ny fakana vaditany azy ireo hanotrona izany».

Raha ny lalàna velona sy fampihatra ary ilazana tahaka ny dradraina ankehitriny fa tany tan-dalàna i Madagasikara, dia milaza mazava ary voasoratra mazava amin’ny didy avoakan’ ny fitsarana fa ny Repoblika malagasy mihitsy no manome fahefana ny vaditany hanatanteraka ny asany, ary tsy maintsy manampy azy amin’izany asany izany ny mpitandro ny filaminana, raha nanaovana fangatahana manokana araka ny lalàna ihany koa. Araka ny didy navoakan’ny fitsarana dia misy fokonolona voatery hesorina amina tany manodidina ny 20 ha ao Ambalamanasa suburbain. Fanontaniana mipetraka : Hanao ahoana ny fanatanterahana io didim-pitsarana io raha tsy mety mandeha ny mpitandro ny filaminana ? Inona koa no hitranga aorian’izay ?

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT