Actualités

Resaka “court-circuit” Saika may indray ny TVM sy RNM


  • Alakamisy 23 Aprily 2015

Nieren-doza ny TVM sy RNM ! Nitrangana ankosona herinaratra (court-circuit) teo amin’ny rihana faharoa misy ny Radio Nasionaly Anosy miampita amin’ny DIT (Directions des Infrastructures Technique) omaly tolakandro. Soa fa nalady voafehy ny afo ka tsy niitatra.

 

 Na izany aza dia nilomay nanavotr’aina nivoaka ny trano ny mpiasan’ny TVM sy ny RNM am-perinasa tamin’io. Mpiasa tao amin’ny minisiteran’ny fambolena eo am-pita no nampandre ny fisian’io tranga io tamin’ny mpiasa sasany tao amin’ny TVM ka vao mainka nampitombo ny fikoropahana nitondra izay voarambin’ny tanana, nivoaka teny an-tokotany, nanao tazan-davitra. Mbola mandindona rahateo ny zava-nitranga tamin’ny 2009. Mbola mamela takaitra hita maso eo an-toerana ny fahamaizan’ity fananam-pirenena ity tamin’ny 2009, nandritra ny fanonganam-panjakana, izay fandoroana niniana natao.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT