Raha nisy ny fifaninanana olo-malaza indrindra tamin’iny 2012 iny dia azo antoka fa tafiditra tao amin’ny telo voalohany Rabefihavanana Arthur na Remenabila, ilay ambara fa lehiben’ny dahalo any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy.
Efa ho an’aliny ny omby nangalarin-dRemenabila sy ny tariny tao anatin’ny valo volana. Manodidina ny 200 ny olona maty, sivily sy miaramila ary am-polony ny tanàna may kilan’ny afo. Maro be ireo Malagasy voatery nifindra monina noho ny tahotra ny asan-dahalo, ary hita ho tena sahirana ny fitondrana tetezamita tamin’ny famerenana indray ny fandriampahalemana tany Betroka sy ny manodidina. Natao nanakoako ny fahatrarana ny mpimasin-dRemenabila sy ireo olona akaiky azy, nambara fa efa hita ny zohy fiereny, ary nisy fotoana aza efa nolazaina fa hoe voatifitra ity lehiben’ny dahalo ity ka efa lanjaina fa tsy afaka mandeha intsony. Efa 3 janoary 2013 isika amin’ity anio ity, fa tsy mbola voasambotra aloha Remenabila, na dia efa natomboka tamin’ny tapaky ny volana jona 2012 aza ny fikarohana azy.
Ny 11 septambra 2012 moa dia ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina mihitsy no nametraka tany Betroka ireo andian-tafika manokana notarihan’ny jeneraly Iama Radafy, fa tsy arakaraky ny kabary sy ny fanomezan-toky ny zava-misy, fa dia mbola miriaria tsara any Remenabila. Ilay hoe helikoptera manara-penitra hikarohana azy aza tsy mbola hita popoka hatramin’izao. Tsy azo lavina fa efa nihena ny fanafihana rodobe fanaon’ny dahalo, saingy tsy mbola tena milamin-tsaina, amin’ny ankapobeny ireo mponina any atsimo raha tsy voasambotra Remenabila. Manodidina ny 12 miliara hatramin’izao ny vola lany tamin’ny «Opération Tandroka”, fa toa tsy mbola tena voavaha tsara ny olana, ary vao mainka aza niampy indray satria tsy maintsy hatao ny fanadihadiana iraisam-pirenena momba ny zavatra tsy nety nataon’ny miaramila sy zandary sasany.
Henjana ny fanakianan’ny Amnesty International ny “Opération Tandroka”, ary dia malaza ratsy eto an-toerana sy any ivelany ny mpitandro filaminana Malagasy. Tsy nahovoka firy namafa an’izany ny seraseran’ny fitondrana tetezamita, hany ka dia i Andry Rajoelina mihitsy, ny alin’ny 31 desambra teo no niaro sy nankahery ireo mpitandro filaminana nalefa tany atsimo, ary mbola nanentana ny olona mba hanao toy izany. Ny ankamaroan’ny olona anefa dia tsy mahalala firy izay paikady sy resaka teknika amin’ny fitandroana filaminana izany, fa ny fantany dia Remenabila voasambotra aminy no porofo mivaingana fa niasa ny mpitandro filaminana ary tena mahavita azy ny fitondrana tetezamita.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.