Actualités

Remenabila Mampiasa balan’ny zandary


  • Talata 04 Desambra 2012

Totoafo ny filazana herinandro vitsy lasa izay fa mpanao politika no ao ambadiky ny raharaha Remenabila.

 Nampiaka-peo ny ankolafy Ravalomanana ary milaza fa hametraka fitoriana, satria nahatsiaro fa voasoketa ao anatin’ity raharaha ity ny lehibeny, dia Atoa Marc Ravalomanana. Ny zava-misy hatramin’izao anefa, rehefa nandeha moramora tany ny famotorana dia mihodinkodina eo anivon’ny zandary ny raharaha, fa tsy nety namoaka anarana mpanao politika araka ny niheverana azy. Nisy zandary lietnà-kolonely iray, tao anatin’ny “Opération Tandroka” voatery nampidirana am-ponja tany Betroka tany, nanao fihetsika mamohehatra ankoatra ny fanerena olona hanome vola.

Taorian’izay dia nisy efatra, natao fanadihadiana. Tetsy ankilan’izay dia milaza ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa hiditra an-tsehana hanao fanadihadiana mahaleotena, eo ambany fitarihan’ny Firenena Mikambana, hivoahan’ny marina mikasika ity raharaha any atsimo ity. Asa na tandindomin’io resaka io fa dia fantatra izao, araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena avy ao amin’ny Toby Ratsimandrava omaly, fa dia balan’ny zandary avy ao amin’ny CSI (Compagnie de Sécurité Intérieure) Sakaraha no nampiasain-dry Remenabila, namonoana ireo zandary sy miaramila, folo lahy, tany Iabohazo-Befotaka tamin’ny 9 jona 2012 lasa teo. Nisy basy niaraka tamin’ireo saingy naverin-dry Remenabila tao amin’ny Ben’ny tanànan’i Ranotsara Atsimo. Mbola balam-basy kalachnikov avy ao amin’ny CSI Sakaraha ihany koa no nampiasain’ireo dahalo, nandritra ny fifanandrinan’ny zandary sy dahalo tany Beharena, Distrikan’i Befotaka atsimo, Faritra Atsimo Atsinanana, ka nahafatesana dahalo miisa 12, farany teo.

Koa raha io fanadihadiana io no iaingana dia tsy isalasalana fa tena misy ny mpitandro filaminana miray tsikombakomba amin’ny dahalo ka mamatsy basy sy bala azy ireo, ny tsy mbola fantatra mazava kosa anefa dia ny hoe : mety hitatra hatraiza ilay tambajotra. Moa va ireo zandary na miaramila manakaiky ny faritra misy ireo dahalo ihany no tena miray tsikombakomba amin’izy ireo, sa misy lehibe izany hoe manamboninahitra hafa manao izany koa. Efa fandre matetika moa ny hoe zandary, na polisy na miaramila mampanofa ny basiny mba hampiasain’ireo jiolahy, ary efa nisy mihitsy ireo nigadra noho izany. Goavana kokoa ilay tambajotra tamin’ity asan-dahalo any atsimo ity, ka mahatonga ny ahiahin’ny maro hoe : don-tandroka no natao tany atsimo matoa tsy voasambotra Remenabila, na ambara marary, maratra, maty sy voasambotra avokoa ireo tanan-kavia sy havanany ary ny mpimasiny.

 

Britto

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT