Re indray izao, araka ny tatitra nataon’ny kolonely Balbine, anisan’ny mpitari-tafika any Betroka, ao anatin’ny «Opération Tandroka» fa efa tena reraka noho ny ratra nahazo azy i Remenabila ka mieritreritra ny hitolo-batana, saingy matahotra ny ho faty, hono, raha raikitra ny fifandonana amin’ny mpitandro filaminana
Nanamafy ity manamboninahitra miaramila ity fa efa fantatra ny toerana misy ilay zohy voalaza fa fieren’ireo dahalo mpiara-dia amin-dRemenabila, ary efa an-dalana ho any ny miaramila. Tsy misy resaka be moa izy ity fa tonga dia fanafihana no hatao.
Raha io vaovao io no dinihana dia tokony ho efa akaiky ny fisamborana an-dRemenabila, ka dia miaramila sy zandary no hifampizara ilay volabe 120 tapitrisa Ariary, raha toa ka mbola misy ihany izy io. Tsy nilaza ny paikady hanohizana ny hetsika anefa ny kolonely Balbine satria nambarany fa ny teny raha fohy manan’elatra ka mety ho tonga any am-poto-tsofin’ireo dahalo dia hifindra any amin’ny toeran-kafa indray izy ireo.
Nandritra ny fihaonan’ny governemanta sy ny CT teny Tsimbazaza ny alatsinainy 05 novambra teo moa dia nisy ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita no tena nampiaka-peo sy nanakiana mivantana ny mpitandro ny filaminana mihitsy momba ity ady amin’ny asan-dahalo any atsimo ity. Nanitrikitrika koa ny mpikambana CT iray fa tsy hilamina mihitsy isika raha tsy samborina koa ireo Remenabila ambony latabatra satria izy ireo no mpanome vaovao sy mpamatsy fitaovana an’ilay Remenabila any anaty akata. Noheverina ho voasambotra mialoha ny 26 jona 2012 ity dahalo raindahiny ity, saingy tsy vita izany. Manantena kosa ny rehetra fa mba ho voasambotra mialoha ny faran’ny taona izy, ary atao sambo-belona fa tsy tonga dia vonoina mba hamantarana ny tena marina sy izay olona miaraka aminy. Raha tsy fantatra koa mantsy ireo atidoha mpikotrika ny asan-dahalo ireo, dia mbola mety hamorona Remenabila hafa indray izy ireo raha toa ka voasambotra ilay Remenabila any atsimo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.