Actualités

Razanamahasoa Christine Nentina maika tao amin’ny Polyclinique Ilafy


  • Alarobia 26 Mey 2010


Fiara maromaro an’ny HAT no indray nanaraka sy nanokatra ny lalan’ity «ambulance» iray ny harivarivan’ny alatsinainy 24 mey lasa teo. Nanaitra ny sain’ny maro izany. Rehefa nohamarinina dia ny Minisitry ny Fitsarana, Razanamahasoa Christine ilay narary tao anatin’io. Raha araka ny fantatra hatrany dia nihetsika ny «apendicite»-ny nandritra ny fotoana izay niasany tany amin’ny faritra. Nentina fiaramanidina haingana, araka izany, raha araka ny vaovao azo hatrany, mba hiakatra teto an-drenivohitra hanavotana ny ainy. Vao nigadona teto indray dia avy hatrany dia tao amin’ny polyclinique Ilafy no nitondrana azy avy hatrany. Teo anivon’io toeram-pitsaboana io indray no nahafantarana fa efa nivoaka omaly tolakandro ity manampahefana ambony eo anivon’ny Fitondrana Avon’ny Tetezamita (FAT) ity. Tsiahivina fa anisan’ny tsy teo izy nandritra ny fanolorana ny Governemanta vaovao. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT