Actualités

Razana nipetraka tao an-trano 10 taona taty aoriana vao hita


  • Alakamisy 07 Martsa 2019

Nahitana razana efa maty ela tany amin'ny kaominina Tatamalaza Fandriana.

 

 

 

Tovolahy efa maty tamin'ny taona 2009 izy io raha ny fizahana natao tamin’ilay razana ka ny karandohany sy ny nifiny sisa no nahafantarana azy ho olona. Raha ny fantatra, razana efa maty  irery tsy nisy mpahita tao anatina trano iray izy io no hitan`ny olona saika hamoaka akoho tao ambony rihana. Rano nitete tao ambony rihina no nanosika azy hamoha ilay varavarankely kinanjo taolambalo no hitany tao. Nandritra ny fijerena ny razana hatrany no nahafantarana fa i Rindraniaina Patrick teraka tamin’ny taona 26 oktobra 1988 ity maty ity ary mbola teo ihany koa ny diplaoma mari-pahaizana bakalorea azony. Vinavinain’ireo mpiara-monina ho namono tena kosa izy noho ny resa-pitiavana. Mbola nahitana taratasy iray mifandraika amin’izany mantsy teo akaikiny. Heverin’ny mpiara-monina ihany koa fa namono tena izy, satria nahitana taratasim-pitiavana feno alahelo tao amin’ilay trano. Nihinana “produits corrosif”, toy ny « formol » izy, raha ny fahitana ny taolan-tratrany, hoy ny sefo CSB Tatamalaza, Rakotondranaivo Jean Baptiste. Efa miroso amin’ny famotopotorana ireo fianakavian’ny maty ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny nanomboka omaly. Anisan’ireny ny tsy fisian’ny fitadiavana ity tovolahy ity mihitsy tao anatin’izay folo taona izay.

 

 

Pati sy Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

Hijery ny tohiny
FTT