Raha ny loharanom-baovao, tsy hamela mora ny fanaovana tsinontsinona ny olony ny fanjakana frantsay, ary ny fianakavian’i tompokovavy Low-Kein Solange Josée (razana nifamadika nentin’ny Air Mad avy any frantsa lasa tany Nyamé Niger tokony ho any Toliara), fa hiady hatramin’ny farany tsy hanaiky mora ny fomba
mamohehatra toy izao, fa hitory ny Air Madagasikara, ary tsy hihemotra amin’ny fanapahan-keviny, na dia notambazana volabe mba hangina, hoy ny zanany roa vavy Rtoa Olsen Solomandimby Armelle sy Solomandimby Amandine, tamin’ny mpanao gazety. Mizaka ny zom-pirenena frantsay ity ramatoa 52 taona maty tany Valence France ny 28 febroary lasa teo ity.
Hitory ny havan’ny maty
Afak’omaly alina tamin’ny 8 ora sy sasany vao tonga tao Toliara ny nofo mangatsiakan’i Low-Kein Solange Josée, raha niala tany Roissy Paris ny 8 martsa teo tamin’ny zotra MD 051, tokony higadona Toliara ny talata naraina teo (MD 714). Tonga niala tsiny tany Toliara ary nifampiresaka tamin’ny fianakavian’ny maty teo amin’ny seranam-piaramanidina, avy eo niverina tamin’ny fiaramanidina nandehanany, ny tale jeneralin’ny Air Mad sy ramatoa iray mpiara-miasa aminy momba ny vata nisy ny razana nifamadika, nefa tsy naharesy lahatra ny fianakaviana ny fanazavan’izy ireo. Teo am-pahatongavana nahitana fahasimbana ny vatam-paty misy ny razana, ka naka vadin-tany avy hatrany ny havan’ny maty, ary natao teo anatrehan’ny solontenan’ny Air Mad Toliara miisa telo, ny solontenan’ny fokontany Besakoa niampy ny fianakaviana ny fitsirihana. Hita tamin’izany fa niforitra ny tendany maty.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.