Tranga iray niteraka resabe teny anivon’ny fiarahamonina ny alatsinainy teo ny fisian’ireo razana efatra indray hita teny amin’ny ranon’Ikopa.
Ny fokontany sy ny kaominina no tompon’andraikitra voalohany amin’ireny tranga irenyo ka mampiantso avy hatrany ny mpamonjy voina mba hampakatra ny razana an-tanety ary ny mpitandro ny filaminana mba hijery akaiky ny zava-misy. Asa hiantsorohan’ny mpitandro ny filaminana ny mijery ny mombamomba ilay razana sao dia nahitana poti-bala na fitaovana hafa toy ny zava-maranitra manodidina azy ary mampita izany avy hatrany any amin’ny borigady misahana ny heloka bevava raha sanatria ka maty novonoina ilay olona. Mampiantso ny tompon’andraikitra eo anivon’ny BMH izy ireo aorian’izay mba hitondra dokotera hijery ilay razana. Anisan’ny asany ny mijery ny faritra mangana amin’ilay maty, sao dia nokapohana ohatra….ary mandefa ny tatitra eny anivon’ny mpitandro ny filaminana aorian’izay hahafahana manao ny fanadihadiana. Tsy azo alana amin’ny toerana nahitana azy ilay razana raha tsy vita ireo asa hiandraiketan’ny mpitandro ny filaminana sy ny BMH ireo ka ireto farany amin’ny ankapobeny no manatitra ny razana any amin’ny tranom-paty. Ho an’ireo kaominina ivelan’ny renivohitra indray dia ireo dokotera eny anivon’ny CSB II no mandray avy hatrany ny asan’ny BMH, ny kaominina kosa no manatitra ny razana any amin’ny tranom-paty.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.