Actualités

Razana halevina niadiana Raikitra ny sakoroka, latsa-dranomaso ny maty


  • Alakamisy 07 Mey 2015

Tranga tsy fahita firy, mahavariana, tsy mampino nefa zava-nisy ! Raim-pianakaviana iray matin’ny aretim-po nandrasana tao amin’ny fokontany Tsimenatse I Toliara no nifanolanan’ny havany amin’izay toerana handevenana azy. Samy nitondra vatapaty iray avy ny zanany sy ny iraitampo aminy asiana ny razana. Vantam-paty roa, razana iray.

Niafara tamin’ny sakoroka izany, ka niditra an-tsehatra ny manampahefana nandamina hisoroana ny mety fifamonoana teo amin’ny fianakaviana, satria dimy andro am-bohitra ny razana, nefa tsy nety voalevina. Nahazo rariny ny zanaky ny maty ka nandevina ny rain’izy ireo any Sarodrano, 26 km atsimon’i Toliara. Ny nahavariana, hoy ireo nanatri-maso, hita latsa-dranomaso sy nikohaka ilay razana nandritra ny fifamaliana rehetra. Raha ny vaovao azo farany, samy nilaza ny hitory ny roa tonta mifanondro ho mpangala-paty ireto.

Raha ny vaovao voaray dia disadisam-pianakaviana nifanolanan’ny tompokolahy tamin’ireo iraitampo taminy fahavelony nikotrika hatry ny ela no fototry ny olana. Niakatra fitsarana mihitsy ny raharaha. Tamin’ny fotoana nitsaboany tena nandritra ny fito volana, tsy tonga namangy na nitsidika azy ireo mpiraitampo taminy, fa ireo zanany ihany no nihonjohono samy irery nikarakara sy nitsabo azy. Maty ilay rangahy mbola nitohy ny olana. Niteraka alahelo tamin’ireo zanaky ny maty ny fihetsik’ireo iraitampo taminy ary velona indray ny disadisa.

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT