Ilaina ny fanandratana ny soatoavina malagasy eto amin’ity firenena ity ankehitriny fa miroso mankany amin’ny fandravana azy izao zava-misy iainantsika ankehitriny izao, hoy ny depiote Razafitsiandrao Jean Brunel avy any Ikongo.
Hitantsika fa hatramin’ny Trano mpampiely baiboly aza ankehitriny dia tena azo lazaina fa « faillite ». Tsy ahitana anarana hoe : Jehovah sy Kristy intsony mantsy ao anatin’ny baiboly vaovao vokarina ankehitriny, hoy ity depiote ity, fa novana ho Tompo daholo fotsiny ireo anarana ireo. Mandeha koa ny feo fa misy faniriana ny hanakatona ireo fiangonana zandriny nijoro latsaky ny 15 taona. Fantatra koa izao fa efa misy ny mikononkonona ny hitondrana eny amin’ny Antenimieram-pirenana ny volavolan-dalàna mikasika ny hankatoavana ny fananambadian’ny lahy samy lahy sy ny vavy samy vavy eto amintsika. Izao ihany koa dia tsy fantatra mazava na namidy na nomena ny Frantsay fotsiny tsotra izao ireo nosin-tany kely manodidina an’i Madagasikara.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.