Actualités

Raveloson Constant “Tsy ara-dalŕna ny fitrandrahana vy any Soalala”


  • Alakamisy 27 Mey 2010

“Famarotana tanindrazana no ataon’ny FAT (Fahefana Avon’ny Tetezamita) ankehitriny”, araka ny fanazavan’i Constant Raveloson manoloana ny tetikasa fitrandrahana vy any Soalala kasaina orinasa sinoa hatao eto amintsika.

Tetezamita araka ny tokony ho izy aza tsy afaka mifampiraharaha toy izany mainka moa fa ny kisaritsarin-tetezamita misy eto amintsika ankehitriny. “Tsy azo ekena izany”, hoy ity mpanao politika ity. Any amin’ny 8 arivo tapitrisa dolara any ny vola hampiasain’ny vondron’orinasa sinoa Visco Guadong Foreign Trade amin’io fitrandrahana vy ao Soalala io. Velaran-tany hatrany amin’ny 430 km tsy mivadi-mandry no hitrandrahana ny vy ka hanomboka ny taona 2013 ny tetikasa izay haharitra 25 ka hatramin’ny 30 taona. Toa mampahatsiahy ny raharaha Daewoo ity raharaha Visco any Soalala ity. Tsaroana manko fa dia nodradraina ho mpivarotra tanindrazana ny fitondrana Ravalomanana tamin’ny fotoan’androny kanefa vao nitsirika ilay orinasa koreana ary fanjakana ara-dalàna no nijoro tamin’izany. Ankehitriny anefa, fitondrana tsy misy mpankato ary voasazy ny ankamaroan’ireo mpitondra ao aminy, tsy nahazo fankatoavana iraisam-pirenena no mifampiraharaha amina orinasa vahiny amin’ny fitrandrahana lavitr’ezaka. Fahazoan-dalana mikaroka no efa nomen’ny FAT ny Visco izay andoavan’ity farany vola 100 tapitrisa dolara ho “droit de mise à disposition”. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT