Actualités

Ravelonanosy Bruno “Bodoin’ny vahiny ny taninay, hiady hatramin’ny farany izahay”


  • Zoma 27 Martsa 2015

Efa am-polony taona maro no nisian’ny ady tany eny Antanandrano, kaominina Ankadikely, teo amin’ny Atoa Hassanein Hiridjee , tompon’ny orinasa Telma sy ny tarana-dRazafitsara sy Razafimahefa.

 Efa nandresy teo anivon’ny fitsarana an-tampony ny fianakaviana malagasy tompon’ny tany saingy namoaka didy manome ny tany an’ny orinasa Telma indray ny fitsarana ambaratonga voalohany. Maneho ny alahelony atoa Ravelonanosy Bruno, mpitondra tenin’ny mpandova.

Tia Tanindrazana (TT) :  Ahoana marina ny fandehan’ity adinareo sy Atoa Hassanein Hiridjee, tompon’ny orinasa Telma ity ?

Ravelonanosy Bruno (RB) : Tena tantara mampalahelo fa ny tanindrazanay misy ny fasana ilevenanay mihitsy no tadiavin’ity teratany vahiny izay miafina ao ambadiky ny orinasa Telma izay mody atao hoe orinasa malagasy ity kanefa tsy izany velively. Io tany 30 ha eny Antanandrano io dia lovanay tamin’ny razanay ary 300 mahery no isanay tompony. Ny Taona 1954 ireo tany ireo no nahazo titre, dia ny laharana 728 B sy ny 93 B, parcelle cadastrale laharana faha-61 faha-309 , ny faha-306, 173, ny 172 ary ny laharana 175.

TT : Dia ahoana ireo Pylones eo ireo ?

RB : Andraso fa ho  hazavaiko. Ny 27 martsa 1954 dia nisy didim-panjakana laharana 039-RGR/CG nivoaka tao  amin’ny gazetim-panjakana pejy 736 sy 737 an’ny fitondram-panjakana tamin’izany fotoana  fa misy ampahany ilaina hananganana  “centre  recepteur télégraphique” ny tany. Nambara tamin’izay fa noho ny filan’ny vahoaka no anaovana azy “ utilité publique”. Tsy nanda ireo Ray aman-dreninay saingy ilay tetikasan’ny Frantsay izay nanjanaka an’i Madagasikara tamin’izany no tsy nanatanteraka indray ilay tetikasa. Ary satria moa tsy nisy ilay asa, rava ilay tetikasa  tsy nisy ihany koa ny “ indemnité” nomena ny Ray aman-dreninay, dia rariny raha niverina tamin’izy ireo ny taniny.

TT : Dia nanao ahoana ny tohiny ?

RB : Ny Taona 1962 dia  nisy didy nivoaka manala ny tany  tamin’ny fanjakana ordonnance 060-023 ny laharan’ io didy io. Mazava fa miverina aminay ny taninay.  Ny  9 aprily2004 dia  nanoratra taminay tompon’ny tany ny minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra tamin’izany. Taratasy  laharana 62/MPTC/ CAB namerina tamin’ny  fianakaviana tamin’ny fomba ofisialy ny tany na “RETROCESSION “. Nampirisika ny Ray aman-dreninay hiverina teny amin’ny biraon’ny fananan-tany  ny minisitra mba handaminana ny ara-taratasy rehetra. Tsy fomban’ny fanjakana hoy izy ny maka an-keriny tanin’olona ka karakarao ny taratasin’ny taninareo.

TT : Nisy didim-pitsarana ve na zavatra tahaka izany ?

RB : Tsy niady izahay sy ny fanjakana ka noho izany tsy nisy didim-pitsarana fa didy hitsivolana laharana 1382 izay mamerina aminay amin’ny fomba ara-panjakana ny taninay no nivoaka  ny  11 febroary 2005. Ary teo no nanomboka niseho ny olana.

TT : Fa Ahoana ?

RB : Tamin’ny 2003 na 2004 angamba izy izay tsy tadidiko tsara fa nisy fivarotana orinasa teo Madagasikara.  Novidin’ny fianakavian’Atoa Hassanein Hiridjee ny orinasa Telma. Nisy taratasy manondro  ireo lisitry ny fananan’ny Telma tamin’izany izay lasan’ireo teratany vahiny ireo fa tsindriako tsara fa tsy tao anatiny ny tany eny Antanandrano. Manana io lisitra izahay ary ireo taratasy voalazako rehetra ireo dia ananako avokoa. Rehefa nanambara izahay mpandova fa anay ny  tany dia nitory teny amin’ny fitsarana ny Telma,  izany hoe Atoa Hassanein Hiridjee sy ny mpiara-miasa aminy.

TT : Dia efa nivoaka ve ? 

RB : Rehefa niady nandritra ny 13 taona dia namaly vavaka Andriamanitra ka nandresy izahay. Didy laharana faha 116- PIL ny 14 desambra 2012 navoakan’ny Fitsarana an-tampony teto amin’ny tany sy ny firenena. Mpitsara miisa 22 no nandrafitra io fitsarana an-tampony io. Fantatro fa mafy tamin’ny  tompon’ny orinasa Telma ny vokatry ny ady  ka  nahatonga azy ireo nitady lalana hafa indray.

TT : Inona indray  ilay lalana ?

RB : Tena fahagagana ! Nanehoany ny tanjany mihitsy. Naverin’ny Telma eny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany indray ny raharaha. Nangataka ny fanalana anay tamin’ny tany izy ireo ary dia nahazo rariny. Tsy miteny ary tsy manan-danja avokoa izany na taratasy na didy eo am-pelatananay manoloana  izany.

TT : Dia inona izany no hataonareo ?

RB : Marina tokoa fa mety ho atody miady amam-bato izahay fa ny fianakaviana dia mino fa misy Andriamanitra ary manam-petra ny herin’ny fahefana sy ny vola koa angamba manoloana ny marina. Tany misy fanjakana isika ka mitaraina sy miantso ny Filoham-pirenena ny praiminisitra sy ireo minisitra ary ny Solombavambahoaka rehetra izahay  mba hijery izao raharaha izao fa tafahoatra ny hetraketraky ny mpanam-bola vahiny.  Bodoin’ny vahiny ny taninay ka hiady hatramin’ny farany izahay.

Nangonin ‘i Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT