Actualités

Rava trano teny ambanin’Ampamarinana Tsy mbola nahazo fanampiana hatreto


  • Sabotsy 24 Febroary 2018

Ankoatra ireo aina nafoy miisa fito dia trano telo no potika tanteraka vokatry ny fianjeran’ilay vatobe teny Ambanin’Ampamarinana ny herinandro lasa teo.

Ho an-dRakotohery Jeannot Claude anisan’ireo rava trano teny an-toerana no sady nanana ny naratra dia nambarany fa tsy mbola nahazo fanampiana ny tenany hatreto. Efitrano efatra anefa hoy izy no indray nafoiko tao anatin’ny indray mipy maso niaraka tamin’ireo kojakoja rehetra tao anatiny. Ny hany feo reko hoy hatrany ity Raim-pianakaviana ity dia ny fisian’ny teny  mandeha fa omena tany hono izahay. Mbola tsy fantatra anefa izany hatreto hoy hatrany izy. Any amin’ny fianakaviany araka izany no mialokaloka Rakotohery Jeannot Claude efa-mianaka. Ho an’ireo zanany roa mianatra any Ankadifotsy dia nomarihiny manokana fa onena mafy azy ireo ny tompon’ny sekoly ka navelany hianatra maimaim-poana  aloha ireo zanany roa hatreto. Notsiahiviny moa fa na dia ireo fanampiana avy any amin’ny mpitondra aza tsy mbola nisy tonga teo am-pelatanan’izy ireo. Ankoatra azy efa-mianaka ireto moa dia lehilahy iray ihany koa no tokony hodidiana lamosina maika ao amin’ny HJRA  Ampefiloha mila vola 1.200.000 Ar saingy tsy misy mpiraharaha. Handeha ho aiza avokoa araka izany ireo olona lasibatry ny vato teny Ambanin’Ampamarinana ?. Tsiahivina moa fa trano miisa 13 no fantatra fa tsy maintsy azera eny Ambanin’Ampamarinana. Ny 30 %-n’ilay vatobe no efa voavakin’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary hatreto. Na izany aza dia mbola mitoby etsy amin’ny EPP Atsimon’i Mahamasina ny ankamaroan’ireo fianakaviana voatery nafindra monina teny an-toerana ka ireo mpitandro ny filaminana izay voalaza fa mihaodihaody eny no miambina ny tananany, indrindra fa ny amin’ny alina.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT