Betsaka ny olana mety miseho eny anivon'ny tokantrano sy ny fiarahamonina, antony mety mampiraviravy tanana ny mpianatra tsy hanosika azy hiezaka.
Voakasik’izany manokana ny fisaraham-panambadiana eo amin’ny ray aman-dreny ankoatra ny tsy fisiany izay manjary miteraka hakiviana ho an’ny mpianatra. Mba hahafahana manarina izany dia tonga nizara ny traikefam-panabeazana efa nananany tamin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ny IEF ACEEM etsy Andravoahangy ny filohan’ny vondrom-panabeazana Aceem Ratrema William. Teny Ankatso no nanatanterahana ny hetsika ny sabotsy teo, taorian’ny nihaonany mivantana tamin’ny mpianatra. Tanjona, raha araka ny fanazavany, ny hahafahana mampitovy ny tadin-dokanga eo amin’ny roa tonta manoloana ny fanabeazana ny ankizy mba hananan’ireto farany tanjona eo amin’ny fiainany na inona na inona olana lalovany. Noraisiny ohatra tamin'izany tantaran’i Barack Obama izay lasa filoham-pirenena Amerikanina ihany na dia nandia olana maro tsy tambo isaina aza teo amin’ny fiainany, nanomboka teo amin'ny fahazazany. Ray aman-dreny marobe no tonga nanohana ny antso izay samy nankasitraka ny fihaonana hahafahana manatsara hatrany ny fanabeazana omena ireo menaky ny ainy, indrindra manoloana ny fivoaran'ny teknolojia
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.