Efa voaporofo ara-jeografika sy araka ny lalŕna velona misy fa antsika Malagasy ireo nosy kely manodidina antsoina hoe :
« iles éparses » izay antsoiko fotsiny ankehitriny hoe nosy malagasy, hoy Atoa Rasolofo René mpampianatra mpanabe omaly teny Andavamamba, ary izy rehetra voatonontonona mihitsy no antsika jiaby fa tsy 3 mifanakaiky fotsiny. 400 km sy 500 km miala an’i Madagasikara fotsiny no lavitra amin’izy ireo, hoy ity mpanabe ity, ary ao amin’ny nosy Tromelin aza dia fasana malagasy no hita ao. Izaho dia mba miangavy anareo solombavambahoaka mba hanangana ny komitin’ny « iles éparse » toy ny natao tany amin’ny CST taloha mba ahafahana manara-maso sy manaraka ny antontan-taratasy nandinihana azy. Tsy tokony hatao sangisangy mihitsy ity resaka ity, hoy Atoa Rasolofo René ary aoka tsy hamita-bahoaka isika. Raha tafajorontsika ny « Comité des Sages » novetsovetsoin’ny raiamandreny Zafy Albert dia azo antoka fa tsy tonga tamin’izao savorovoro izao ity resaka ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.