Actualités

Rasambozafy Cyrille Fahombiazana ny fanombohan’ny fampihavanana, hoy ny GEC


  • Alatsinainy 18 Mey 2015

ampihisatra ny fandehan’ny fampihavanam-pirenena tiana hirosoana ny fanapahan-kevitry fitondram-panjakana nanakantsakana ny fizotran’ny fahatsiarovana ny tsingerintaona fankalazana ny 13 mey 72 teo Antananarivo, hoy Rasambozafy Cyrille

 

H mpiara-mitantana ny GEC na ny Groupe Eclaireur de contact, ary tena hanimba ny endriky ny fampihavanana natomboka teny Ivato izany. Nisy ampahan’olona sy mpanao politika voailika sahady ary tsy afa-niaina ny fifamelana  nolazain’ny FFKM tao amin’ny 4F, hoy izy. Mbola fanomanana izao no vita ary tokony hitarika any amin’ny fampihavanam-pirenena tokoa satria tsy nisora-tena hitarika ny dinika ny FFKM fa niangavian’ny ankolafy maro, hatrany am-boalohany, araka ny fanazavan’i Rasambozafy Cyrille. Ny fitsinjarana ara-drariny ny harem-pirenena no anisan’ny tena novoizina tao amin’ny dinika ary hetahetan’ny vahoaka izay nosoloin’ireo mpizaika tena no nivoaka tamin’ny fehin-kevitra, hoy ny GEC, ka  anjaran’ny mpitondra izay efa nandray andraikitra tamin’ny sonia nataony ny mandanjalanja ny fampiharana azy araka ny laharam-pahamehana. Efa taratry ny fampihavanana misy ny nampiarahana nikaondoha teny Ivato ny mpitondra ara-drazana avy amin’ny faritra maro eto amin’ny nosy niaraka tamin’ny mpitarika antokom-pivavahana samihafa sy ireo mpanao politika sy ny olon-tsotra koa tamin’iny dinika notarihan’ny FFKM iny, hoy Rasambozafy Cyrille.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT