Actualités

Ranon’Ikopa Fatina tovovavy hita nifatotra


  • Talata 10 Aprily 2018

Tovovavy iray no hita faty teny amin'ny ranon'Ikopa omaly. Tsy fantatra ny momba azy fa raha ny fitafiany tamin’ny alalan’ny aron’akanjo nanaovany, dia mety ho mpianatry ny lisea ny tenany.

Tamin'ny nahitana ny razana dia maratra mivoaka ra ny vavany ary mifatotra ny tanany.  Tombanana avy hatrany ho nisy namono izy, avy eo nariana teny an-toerana ny fatiny. Efa nalain’ny tompon’andraikitra ny razana ary naterina avy hatrany teny amin’ny tranompatin’ny hopitaly. Hatramin’ny omaly, dia tsy fantatra mazava izay fianakaviany, ka izay mahatsapa very havana dia afaka mandalo eny amin'ny tranompatin’ny HJRA hanamarina ny razana. Tsy milamina ny tany ary mirongatra hatrany ny tsy fandriampahalemana, ka toa sesilany ny fahitana faty miampatrampatra etsy sy eroa eto amintsika. Ilaina ny mailo sy mitandrina hatrany satria efa karazan’ny samy miaro ny rambony tsy ho tapaka sisa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT