Actualités

Ranon’Ikopa - Andohatapenaka Nahitana fatin-dehilany efa simba tanteraka


  • Alatsinainy 15 Janoary 2018

Fatin-dehilahy iray no hita tao anaty ranon’Ikopa teny Andohatapenaka, mifanitsy ny toeram-piantsonan’ny fiara vaovao ny marainan’ny sabotsy 13 janoary teo, tokony ho tamin’ny 9 ora latsaka kely teo ho eo.

Tombanana ho efa fotoana naharitra mihitsy no nahafaty azy io, saingy tsy hita raha tsy izao, saingy tsy fantatra mazava aloha ny fomba nahafaty azy na nisy namono na maty an-drano. Efa potika tanteraka mantsy ilay razana, izay tsy nisy endrika nahafantarana azy intsony satria efa nihitsana tanteraka ny nofo teo amin’ny tarehiny, ka karan-doha sisa hita teo. Efa nipoitra ihany koa ny taolana tamin’ny tongony havia, ary ny ratsam-tanany sy ratsa-tongony ihany koa efa somary rimbotra izany.  Mbola nitambatra kosa ny vatany na teo aza fahasimbana noho izy nilon-drano. Tamin’ny alalan’ny lakana no nampiakarana ny razana teny an-tanety, ary nanatri-maso izany ny polisim-pirenena.

Nangonin’I Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT