Actualités

Rano miandrona Ilaina diovina ireo tatatra fivoahan-drano


  • Alatsinainy 09 Martsa 2015

Tsara ny ezaka fanamboaran-dalana tanterahan’ny fitondram-panjakana ankehitriny na tsy dia fahita firy hatramin’izay aza ny mikitika fotodrafitrasa ao anatin’ny vanim-potoanan’ny orana.

 

 Tsy azo andrasana intsony rahateo ireo asa sokajiana ho tena maika ireo mba hisorohana ireo loza mety hitranga. Misy ihany anefa ny indrokelin’ny mpandrafitra raha mivezivezy eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’izao fotoana izao, hoy Rakotomamonjy Philippe. Tsy lazaina intsony moa ny fahasahiranan’ireo mponina mipetraka eny amin’ny faritra iva. Mahasadaikatra ihany anefa ny fahitana ireo rano miandrona eny amin’ireo arabe sokajiana ho fampiasan’ny mponina andavanandro toy ny eny Ampefiloha sy ny eny Anosy ahitana ireo minisitera goavana eto amin’ny firenena. Efa misahana ny fikojakojana ny lalana ihany ny fanjakana ka tokony hohararaotina miaraka amin’izay ny asa fanadiovana ireo tatatra fivoahan-drano izay mety hiteraka olana hafa eny anivon’ny fiarahamonina, hoy ity mpanao politika sy asa sosialy ity.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT