Actualités

Rano eto Antananarivo : Naato ilay famindram-pitantanana


  • Alatsinainy 27 Aogositra 2012

Manoloana ny fihetsiketsehan’ny mpiasan’ny Jirama dia nanapa-kevitra ny fitondrana tetezamita fa haato aloha ny famindran’ity orinasa ity amin’ny kaominina ny fitantanana ny rano eto Antananarivo Renivohitra.

 Tokony ho amin’ny 10 septambra izao ny fanokafana ireo tolobidy hahafantarana ireo orinasa hifanome tanana amin’ny kaominina amin’ny fitantanana ny rano eto an-drenivohitra, saingy nahemotra amin’ny 30 novambra indray aloha. Nahazo taratasy mifandraika amin’izay ny tale jeneralin’ny Jirama no sady mbola nentanina hanazava misimisy kokoa amin’ny mpiasa eo anivon’ity orinasam-panjakana ity ny kipitsopitsony rehetra momba ny famindrana ny fitantanana ny rano eto an-drenivohitra. Nahomby izany aloha hatreto ny hetsika nataon’ireo mpiasan’ny Jirama ka nanakianan’izy ireo, ilay fanapahan-kevitra sady nanambaran’izy ireo ny ahiahiny ny amin’ny hoaviny sy ny hoavin’ny Jirama amin’ny ankapobeny.

Azo adika koa izao fihemorana izao fa nisy ihany ny dingana mety tsy nohajaina fa natao maimaika ilay famindrana, ka rehefa nanomboka nihetsika ny mpiasa vao tena nikorapaka ny tany ambony tany. Hatreto aloha dia mbola mitsipaka marindrano ny famindrana ny fitantanana ny rano amin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra ireo mpiasan’ny Jirama ireo. Tsy maintsy mbola hisy kosa anefa ny fihaonana sy fifampidinihana, koa ho hita eo ihany izay mety ho fivoaran’ny raharaha. Tsara homarihana fa tao anatin’ny 25 taona dia tokantrano 70 000 no nampidiran’ny Jirama rano teto Antananarivo Renivohitra ary nahatratra 1200 kosa ny paompin-drano ho an’ny daholobe naorina. Mbola tena ambany io tarehimarika io raha oharina amin’ny isan’ny mponina. Matetika moa dia antony ara-bola sy ara-pitaovana no tsy hahavitan’ny Jirama ny asany, araka ny tokony ho izy.
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT