Afak’omaly Ranjivason Jean Théodore no nivoaka ny polyclinique Ilafy etsy Behoririka rehefa notsaboina tao hatramin’ny 22 jolay lasa teo. Na izany aza anefa dia tsy mbola afaka ny hiasa avy hatrany izy satria nomen’ny dokotera «convalescence» na fotoana hakana aina. Raha tsiahivina dia naiditra tao amin’ny sampana fameloman’aina ary notazomina andro vitsivitsy tao ity filohan’ny antoko politika Matsilo ity rehefa tratry ny aretin’ny lalandra. Taorian’izay izy vao nahazo efitrano mitokana ary naraha-maso hatrany ny toe-pahasalamany hatramin’ny afak’omaly izay nivoahany ny hopitaly. Raha hiverenana dia fanindroany izay no nisy oloben’ny tetezamita tato anatin’ny roa volana tratry ny aretina toy izao. Tao amin’io toeram-pitsaboana io hatrany no nitsaboana an’ireo. Ny voalohany dia ny ministry ny Fitsarana izay voatery nakarina teto an-drenivohitra faran’izay maika rehefa nihetsika ny aretiny nandritra ny asa nataony tany amin’ny faritra hafa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.