Actualités

Randrianjatovo Henri “Mijoro ny depiote hamerina ny fitantanana tsara nisy teto”


  • Alatsinainy 02 Aogositra 2010


Nivalona teo ny Dinika Santatra. «Tsy isika ankolafy telo intsony no mila ny TSAR (Tetezamita tsy misy an-dRajoelina) fa ny vahoaka iray manontolo», hoy i Constant Raveloson ny sabotsy teo, nampita ny tatitra azony momba iny dinika teny anivon’ny distrika iny nanoloana ireo olona an’arivony tonga tao amin’ny Magro Behoririka. Ny nanaitra koa hoy izy dia «misy tamin’ireo mpizaika mihitsy no nanolotra ny MAP (Madagasikara Am-perinasa) nandritra iny Dinika Santatra iny» koa asa raha horaisin’ny FAT izany. Nanamafy ny nambarany Randrianjatovo Henri, depiote Tiako I Madagasikara, voafidy tao Faratsiho, nilaza fa «mibosesika ny mpizaika nitaky hanaovana amnistia sy hametrahana tetezamita iraisana», ka ho hita eo raha horaisin’ny FAT izany.

Mikasika ilay hopitaly nampanantenain’i Andry Rajoelina fa hamboarina ao Mahajanga indray dia fanontaniana no napetrak’i Constant Raveloson raha hatao klinika tsy miankina izany ary aiza marina ny vola hanaovana azy, fa toa ny eo ihany no avadibadika ?
Ny depiote moa nampahatsiahy fa «nisy fitantanana tsara teto ka tiana haverina, ary izany no anisan’ny antony mampijoro ny depiote» ka «izay Malagasy tsy mifoha amin’izao dia faty mandehandeha», hoy izy.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT