Manan-jo hihaino sy hijery vaovao amin’izay haino aman-jery tiany ny vahoaka Malagasy,
hoy Atoa Randriamanampisoa Samuelson filohan’ny Distim Antsirabe II, ka rariny raha mitsikera ny ataon’ny minisitry ny serasera Malagasy am-perinasa ianareo mpanao gazety rehetra. Amiko, hoy ity tompon’andraikitra Tim avy any Antsirabe ity, tsy mety ny mpanao gazety miandany be loatra amin’ny fitondram-panjakana fa tokony hahalala ny vaovao marina rehetra ny vahoaka. Liam-baovao tokoa ny vahoaka Malagasy ka rariny raha misolontena ny rehetra amin’ny fitakiana vaovao tsy mitanila tokony homen’ny mpanao gazety tsy an-kanavaka ny rehetra manerana ny nosy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.